Toekarena

Koperativa Mada omby Akan’ny zandary 40 tapitrisa Ar isam-bolana


  • Talata 09 Mey 2017

Nanohy ny fitarainany mikasika ny fijaliana mianjady amin’izy ireo any Tsiroanomandidy sy ny manodidina tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary omaly,

ry zareo avy eo anivon’ny Mada omby izay koperativa iray hivondronan’ireo mpisehatra eo amin’ny fandraharahana sy ny tontolon’ny omby eto amintsika. Nampatsiahy izy ireo fa ny alakamisy teo tamin’ny 5 sasany hariva dia tonga nitaky vola tamin’ity koperativa ity, toy ny efa fanaon’izy ireo hatramin’izay ny zandary tao an-toerana. Nikomy tsy nety nanome intsony izahay, hoy ny fanazavan’i Tahiry Sambihafa, izay filoha mpihevi-draharaha (PCA) eo anivon’ity koperativa ity satria efa tafahoatra ilay izy. Tonga hatrany amin’ny 1000 sy 2000 ary 5000 ariary isaky ny omby, arakaraka ny toerana hametrahana ireo omby, raha ny fanazavana hatrany, izany hoe 40 tapitrisa ariary isam-bolana, hoy izy ireo, raha atotaly no alain’ireo zandary fa raha tsy izany, hono, dia hogiazan’izy ireo ny omby (fourrière). Adiny iray taorian’ny tsy fifanarahana, izany hoe tamin’ny 6 sasany, hoy ireto lasibatra ireto, dia nisy dahalo zato lahy nanafika ary lasan’izy ireo ny omby 100 amin’ny 200 anay tao Tsiroanomandidy ary tsy mbola fantatra hatramin’izao ny niavian’ireo kalachnikov nanafihan’ireo dahalo ny tanàna. Mangataka ny hanampiana miaramila any an-toerana moa ity koperativa ity.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT