Toekarena

Kompania Tsaradia Hisy ny sidina natokana ho an’ireo entam-barotra


  • Alarobia 20 Mey 2020

Noho ny fangatahana sy ho fitsinjovana ireo mpandraharaha ara-toekarena dia hisy ny sidina manokana ho fitaterana ireo entam-barotra na dia mbola tsy mivaha aza ny olana ateraky ny aretina coronavirus.

 

 

 

 

Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny fanambarana fa afaka mitondra entana hatramin’ny 5,5 taonina io fiaramanidina io ary sady haingana no manaraka tsara ny fenitra misy. Na izany aza dia manaja ny fepetra rehetra mahakasika ny ara-pahasalamana ireo ekipa miasa ao amin’ I Tsaradia ary hanaraka tsara ny filan’ny mpanjifa araka ny fanambarana hatrany. Hisy araka izany ny sidina ana habakabaka hitaterana ny entana avy any amin’ny faritra mankaty Antananarivo na mifanohitra amin’izay. Ny alahady 24 mey ho avy izao aloha dia hisidina ny kaompania nasionaly Tsaradia hanao ny Antananarivo-Sambava-Antananarivo. Hiainga amin’ny 9 ora eto an-drenivohitra izany ary hiala indray any Sambava amin’ny 12 ora sy fahefany. Tsiahivina fa nandritra ny volana Martsa sy Aprily dia nisy ihany ny sidina manokana saingy nitaterana ireo fanafody sy fitaovana ary ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany izany. Teo ihany koa ny nitaterana ireo teratany eoropeana niisa 88 ary nitondrana ireo Malagasy taraiky hiazo ny fonenany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT