Toekarena

Kolikoly sy tsy fahaiza-mitantana Mamotika ny toekaren’i Madagasikara


  • Alarobia 11 Martsa 2020

80 miliara dolara eo ho na 293 840 000 000 000 Ar (1dolara=3673 Ar) no vola very isan-taona aty Afrika noho ny kolikoly. Manary vola 1,4 miliara dolara na 5 142 200 000 000 Ar isan-taona

 

 

 

 eo ho eo farafahakeliny ny firenena afrikana iray ahitana kolikoly tahaka an’i Madagasikara. Nisy ny atrikasa fakan-kevitra hamolavolana ny politikam-pirenena ho an’ny fanjakana tsara tantana (PNGB) omaly tetsy amin’ny Motel Anosy. Andraikitra iray sahanin’ny CSI (Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité) izay ratsa-mangaika eo anivon’ny fiadiadiana ny Repoblika izany. Fakan-kevitra no natao ary nojerena daholo ny zavatra andrasan’ny olom-pirenena mahakasika ny fitantanana mahaomby eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimieran-doholona ary ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana. Efa nisy hatrany ny atrikasa mahakasika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tsara tantana saingy tsy ampy ny ezaka satria mbola tsy mipetraka ihany koa ny fitsinjaram-pahefana tena izy hoy ny tompon’andraikitra. Ohatra amin’izany ny tsy fahazoan’ny any amin’ny faritra fiofanana tahaka ny eto an-drenivohitra. Tanjona amin’izao atrikasa izao ny hisian’ny fitoviana rehetra amin’ny faritra mba hipetraka ny fanjakana tsara tantana eo amin’ny lafiny politika, ny ara-bola, ny fikarakarana taratasy sy ny sisa. Ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD) no mpiara-miombon’antoka ary ny CSI izay nanangana ny BIANCO sy ny SAMIFIN no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana izany mba ho tombony ho an’i Madagasikara. Tsy misy ny fandrosoana ary mirodana hatrany ny sehatra toekarena sy sosialy rehefa ny fitantanana no goragora.

Tsirinasolo

 

   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT