Kolikoly eny amin`ny fadin-tseranana
Miteraka fatiantoka 600 miliara ariary…
Hanamafy ny ady amin`ny kolikoly eo amin`ny fadin-tseranana Malagasy mba hahafahana manatratra ny tanjona ampitomboina ny vola miditra amin`ny sampandraharaha ity. Fanoitra amin`ny fampandrosoana amin`ny lafiny ara-toekarena ny fisian`ny fitantanana mazava sy mangarahara eo anivon`ny fadin-tseranana, hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana, Christophe Rakotomanana. Olana hatramin`izay ny endrika kolikoly sy gaboraraka ka vola manodidina ny 600 miliara ariary no fatiantoka. Hany ka tsy misy mahatoky ity sampandraharaha ity intsony eto amin`ny firenena. Tanjona amin`ity taona ity, hoy izy, ny hampidirana vola hatramin`ny 2600 miliara raha 2400 miliara raha tamin`ny taon-dasa. Miainga amin`ny fandraisana anjaran`ny rehetra amin`ny alalan`ny fandovan-ketra sy ny fanarahan-dalàna no hahafahana manatratra izany. Amin`ny ankapobeny, ny 40%-n`ny vola miditra ao amin`ny kitapom-bolam-panjakana dia vola miditra avy amin`ny fadin-tseranana avokoa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.