Toekarena

Kianja Barea- Mahamasina Mila mampiditra 2 tapitrisa dolara eo ho eo isam-bolana


  • Talata 21 Martsa 2023

Ny 4 septambra 2021 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea etsy Mahamasina.

Raha jerena ny fifanarahana mikasika ny tetibola lany namitana ity fotodrafitrasa goavana ity dia mitentina 77.387.000 Dolara amerikanina na USD, izany hoe, eo amin’ny 3.328.957.000.000 Ariary eo raha raisina hoe 4301,70 Ariary ny Dolara USD. Hatramin’izao dia mbola tsy mazava, raha ny fampitam-baovao voaray, ny fanefana ny volan’ireo orinasa nanatontosa ny asa, izay tsy orinasa tokana, raha ny fanamarihana voaray fa ankoatran’ny orinasam-panjakana na “société d’Etat” sinoa, izay tomponandraikitra voalohany mikasika ny fanatanterahana ny asa dia misy koa ireo orinasa madinika maro avy eto an-toerana na “sous traitant” izay nanampy teo amin’ny fanatontosana ny pitsopitsony hafa. Maro amin’ireo mpanara-baovao moa no mbola mametra-panontaniana hoe izao angaha moa no nifanarahana? Aiza ny tafon’ny kianja? Isany toy ny namaly tamin’ny ampahany izany fanontaniana izany ny fitakian’ireo orinasa sasany ny ampaham-bola mitentina 17.321.614,90 Dolara USD hatrany na 745.123.900.000 Ariary ny 1 novambra 2021 teo, izay voalaza fa mbola isan’ny tsy mbola voaloan’ny fitondram-panjakana amin’izy ireo. Raha atao ny kajikajy tsotsotra nanomboka tamin’ny septambra 2021 no ho nankaty dia mila mampiditra 2 tapitrisa Dolara USD eo na 8.603.400.000 Ariary ny Kianja Barea raha tiana ho tafaverina aloha izany ny lany tamin’ny fanamboarana ny kianja. Hatreto anefa na ny fifaninanam-pirenena ho an’ireo divizionina voalohany, sokajy matihanina, eo amin’ny taranja baolina kitra, dia ny Orange Pro League na OPL aza tsy raisin’ity kianja ity. Ny fampiasana ireo toeram-piseraserana ara-barotra maro ao anatiny ihany koa tsy tena mbola mazava amin’ny ankamaroan’ireo olompirenena sy mpandraharaha loatra hatreto ny fahafaha-mampiasa azy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT