Notanterahina nanomboka omaly alakamisy 23 mey teny amin’ny Forello expo Tanjombato, haharitra efatra andro, ilay hetsika “Foire Internationale de Madagascar” andiany faha-16 karakarain’ny agence de communication la premiere ligne.
Anisan’ireo tranoheva mihoatra ny 500 isa mandray anjara ao ny ketrika. com an’ny Vondrona Vidy Varotra, orinasa Malagasy. Entana marobe no hamidin’izy ireo sy hampahafantariny ny mpanjifa izay azo vidiana eo no ho eo raha amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana no nahafantarana azy hatramin’izay. Lohalaharana amin’ireny ireo karazana kojakojan-tokantrano mandeha amin’ny herinaratra izay azo hatolotra tsara ny renim-pianakaviana amin’izao ankatoky ny fetin’ny reny izao. Toraka izany koa ny “service beauté” hahafahana mandoa “pack beauté” amin’ny alalan’ny ketrika.com ary hiarahany miasa amin’ny Charm’Elle Beauté, Luminelle Beauté ary ny Caprices et Beauté. Tsy latsa-danja amin’izay ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro hamidy amin’ny vidiny mora dia mora toy ny vary gasy, ny makalioka, ny menaka, ny savony. Misy ihany koa ireo fitafiana toy ny leggings navoakan’ny Collection jejoo ka ho an’ilay karazany tsotra dia 12.000 Ar no vidiny raha 15.000 Ar kosa ilay misy bouton. Afaka misoratra anarana ho mpikambana ao amin’ny ketrika.com avokoa ny mpanjifa rehetra mandritra ireo efatra andro ireo ary mampianatra maimaimpoana ny fampiasana ilay tranonkala ny ekipa rehetra eny an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.