Toekarena

Ketrika.com Manome fihenam-bidy 15 ka hatramin’ny 50%


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny hetsika La grande braderie de Madagascar andiany voalohany amin’ity taona ity.

 

 

 

 Haharitra dimy andro izany ahitana tranoheva manodidina ny 300 isa.  Ankoatra ireo mpandray anjara efa mahazatra dia nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Madavision fa misy ihany koa ireo mpandray anjara vaovao miezaka manome fahafaham-po ny mpanjifa. Anisan’ireny ny ketrika.com eo anivon’ny vovonana Vidy Varotra izay mivarotra entana mora kokoa noho ny eny an-tsena amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana sady azo antoka ny kalitaony. Entana maro samihafa no hampahafantarin’izy ireo eny an-toerana  ahitana ny sokajy rehetra. Nomarihin’ny mpikarakara moa fa misy hatrany ny fihenam-bidy 15 ka hatramin’ny 50 % ho an’ireo izay liana amin’izany raha misy ihany koa ny entana vaovao tsy mbola fahita mihitsy.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT