Mpandraharaha ara-lodsia Malagasy amin’ny dimy nanao ny fanondranana lodsia mena amin’ny alalan’ny fiaramanidina Atoa Kary Rosin. Raha ny fanazavany dia “nisy faharatsiana ny lodsia tamin’ity taom-piotazana 2017 ity noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ka nahatara ny orana.
Vokany, maro tamin’ireo lodsia no tsy nahatratra ny fenitra tratrarina amin’ny fanondranana”. Nohamafisiny fa “efa vonona izy hanaraka ny fenitry ny ‘global-gap’, sy ny fifanarahana amin’ny lanja nifanekena tamin’ireo mpividy ny lodsia Malagasy any ivelany, na eo aza io faharatsian’ny vokatra io. Amin’ny toe-javatra tahaka izao anefa dia mety hanatsarana ny vidin’ny lodsia eny amin’ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra tonga eny amin’ny mpanangom-bokatra izany. Efa nisy ny fihaonan’ireo mpanondrana nanapahana ity vidin’ny lodsia ity izay nohazonin’izy tsiambaratelo, saingy efa fantatra fa nisy fiakarany izany raha tsy nihetsika tamin’ny 1.000 ariary ny kilao tao anatin’ny 10 taona izay, tahaka ny vidin’ny lodsia malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. Ankilan’izay, olana goavana amin’ny mpanangom-bokatra sy ny mpandraharaha ny faharatsian’ny lalam-pirenena faha-2 sy ny lalam-pirenena faha-5 izay tena fivoahan’ny vokatra, izay angatahan’izy ireo fanamboarana avy amin’ny minisitra tompon’andraikitra. Ankoatra izay dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ireo mpandraharaha ara-lodsia sy ny tantsaha malagasy amin’ny fanatsarana ny fototry ny lodsia, entina hanatsarana hatrany ny kalitao misy ho fampivoarana hatrany ny fihariana ara-lodsia eto amintsika.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.