Toekarena

Karatra Visa Mvola Natao hanamora ny fiainana


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Telma Ankorondrano ny andinindininy mikasika ilay tolotra vaovaon’ity orinasa ity dia ny “carte bancaire Visa Mvola”. Iny omaly iny ihany koa moa no fotoana nivoahany tamin’ny fomba ofisialy.

 

 

Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana azy io, Heritiana Andrianasolo, dia fiaraha-miasa amin’ny banky BNI izy ity ary mampifandray ny kaonty amin’ny finday sy ity karatra fampiasa amin’ny banky vao nivoaka ity. Toy ny karatra iraisam-pirenena rehetra dia ahafahana maka vola eny amin’ireo mpandrinjara na DAB eny amin’ireo banky manerana ny nosy sy tany izy io. Ahafahana mandoa vola eny amin’ireo toerana voatokana ho amin’izany na TPE ihany koa sy aterineto. Nomarihina kosa anefa fa 24 ora aorian’ny fandoavam-bola anaty aterineto vao mety ho tonga any amin’izay tokony ahatongavany ilay tolotra. Mba hitandrovana ny karatra ihany koa dia tsy mbola mandeha aloha ny fifampindram-bola sy fandoavam-bola amin’ny alalan’izay aterineto izay any ivelany. Anjaran’ny tompon’ny karatra kosa no mamaha izany amin’ny fotoana ilany azy. Hatreto dia mbola tsy afaka handraisam-bola avy amin’ny kaonty anaty finday izy ity saingy azo handoavam-bola sy hividianan-javatra kosa. Ariary no ao anaty kaonty fa ilay Visa kosa dia afaka mamadika ny devizy raha toa ka ilaina amin’ny fanjifana any ivelany, hoy hatrany ny fanambaran’ity tale jeneraly lefitra ity.

 J. Mirija

Legende: Hihena miandalana ny fikirakirana vola taratasy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT