Toekarena

Karatra fandoavan-ketra Kendrena ho tonga 2 000 000 amin’ny 2023


  • Alarobia 23 Novambra 2022

Vinavinaina ho tafakatra 2 000 000 ny isan’ny olona manana karatra fandoavan-ketra amin’ny taona 2023, raha ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny Fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison omaly.

Ao anatin’ny ezaka fampidirana ny mpandraharaha tsy ara-dalàna ho ao anatin’ny sehatry ny manara-dalàna no hanatrarana izany, ho fanatsarana ny fidiram-bolam-panjakana. Efa nahitam-bokatra izany, raha ny fanazavany. Raha 354 000 ny isan’ny olona nanana karatra fandoavan-ketra tamin’ny taona 2019, tafakatra 1 250 000 izany ny taona 2022. Ankoatra izay, harahi-maso manontolo ny entana miditra sy mivoaka eto Madagasikara. Hisy ny fanatsarana ny fitaovana ampiasaina eny amin’ny Fadin-tseranana. Tsy hotsongaina intsony, araka izany, ny entana rahi-maso fa atao zato isanjato (100% scanning). Heverina hampitombo ny fidiram-bola koa ny fiantsoana mpandraharaha hampiasa vola eto Madagasikara. Fepetra fanalefahan-ketra maromaro no noraisina ho an’ireo vonona hisehatra ho an’izany, araka ny efa nambara nandritra ny “Forum national des investissements pour l’émergence de Madagascar” teny Ivato ny faran’ny volana oktobra teo. Momba ny resaka fiara izay miteraka resabe dia ny fanafarana fiara “hybride” no nambara fa misy fanalefahana, ary tahaka izany ihany koa ny simenitra. Isan’ny ahafahana manodina ny Fanjakana sy manao asa fampandrosoana ny hetra, saingy mbola malaina amin’izany ny Malagasy ka tsy mahatratra 15% akory hatreto ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Madagasikara. Antony ny tsy fahatokisan’ny olona Fanjakana, tsy fahatsapana tamberin’andraikitra,… raha tarafina amin’ireny tatitra samihafa amin’ny kolikoly sy fanodinkodinana volam-panjakana ireny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT