Toekarena

Kaonty M-KAJY Hanampy ny olona amin’ny fahafahana mihindram-bola


  • Zoma 13 Aprily 2018

Betsaka ireo olona manana tetikasa hahafahana mivelona sy manatsara fiainana amin’izao saingy ny lela-vola ho enti-manatontosa izany mihitsy no tsy misy.

 
Na dia misy aza ireo karazana ivon-toerana hahafahana mihindram-bola dia mbola mila antoka sy taratasy maro isan-karazany izany. Anisan’ny antom-pisian’ny kaonty M-Kajy ny hamaha izany olana rehetra izany. Ireo mpanjifa mampiasa ny orange money no voakasik’izany manokana izay  afaka manokatra kaonty maimaim-poana tsy ilana fivezivezena. Afaka mihindram-bola avy hatrany araka izany izay olona manana io kaonty io manomboka amin’ny 5.000 Ar ka hatramin’ny 300.000 Ar. Ao anatin’ny 30 andro no handoavana ny lela-vola nindramina raha  tsy mihoatra ny 7 %-ny tahan’ny zana-bola alaina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Premiere Agence de Microfinance (PAMF) sy ny orinasam-pifandraisana Orange moa no hahafahana manatanteraka izany rehetra izany, fiaraha-miasa vao nosantarina afaka omaly alarobia 11 Aprily teny amin’ny foiben’ny Orange eny Ankorondrano.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT