Toekarena

Kaompaniam-piantohana Hahazaka ireo fatiantoka marobe ve ?


  • Zoma 03 Aprily 2020

Ny sehatra fiantohana dia afaka itarafana ny fandrosoan’ny toekarenan’ny firenena iray.

 

 

 

Misy karazany maro izany ary misy ny fitsinjovana ny vody andro merika sy ny mety ho loza tsy ahafaha-mihetsika tahaka ny tranga misy manerantany amin’izao fotoana izao. Mihena hatrany amin’ny 50% ny vola mihodina (chiffres d’affaires) amin’ny ankamaroan’ny seha-pihariana rehetra ankehitriny. Raha ny amin’ireny hotely fandraisam-bahiny goavana ireny dia 100% ny fatiantoka ary tena mitotongana ny vola mihodina. Mampanotany tena hoe manao ahoana ny fahafahan’ny kaomaniam-piantohana hamerina ny fatiantoka amin’ireny, araka izay endri-pifanarahana natao,  indrindra ho an’ireo mpanara-dalàna izay mandoa tsy tapaka ny latsakembony? Mety ho voavaha ihany ny olana any amin’ny firenena manankarena izay afaka hidiran’ny fanjakana an-tanana saingy atahorana hatrany izany rah any eto Madagasikara. Hatreto mantsy dia mbola maro aza ireo tsy nahazo ny volany tamin’ny kaompaniam-piantohana tamin’ireny krizy tamin’ny 2009 ireny.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT