Toekarena

Kaompania Air Madagasikara Maro ny hetra alaina aminy


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Manoloana ny fitarainan’ireo mpanjifa ny zotra ana habakabaka Air Madagascar izay lafo loatra mitaha amin’ireo kaompania hafa dia nanamafy ny filohan’ny filankevi-pitantanana ity kaompania Malagasy ity,

 

 

Eric Koller, fa mitombina ny fitarainana, indrindra tao aorian’ny fidiran’ny kaompania vaovao Tsara dia. Mila fantatsika anefa, hoy izy, fa ny 46% maherin’ny vidin’ny tapakilana fiaramanidina iray eto amintsika dia resaka hetra. Ny 44% tavela kosa dia karaman’ny mpanamory, ny mpiasa miasa ao toy ny PNC sy PNT ary miaraka amin’izay koa ny solika. Ny 80%-n’ny olona mandeha Toamasina matetika dia noho ny antony asa. Ny mandeha Toliara dia antony fizahantany ny 70% mahery. Ny 80%-n’ny mpandeha Toliara dia amin’ny alalan’ny fiara, hoy hatrany ny fanazavana. Miverina avy any no mety misy mandeha fiaramanidina. Boeing 737-800 izao no avion Airmad mandeha Toliara ary tena lafo ny sarany. Ofana daholo ny fiaramanidintsika isam-bolana ary eo amin’ny 100.000 dolara eo avokoa. Ny Airbus 330 dia eo amin’ny 400.000 dolara eo ny ofany isam-bolana.  Vokatr’izay dia tsy misy olona mihitsy ireo fiaramanidina midina any Toliara, hoy izy. Tsy mahafeno ny 40%-n’ny tokony ho mpandeha akory. Feno izy rehefa fotoam-pialantsasatra saingy fatiantoka kosa rehefa tonga eto Antananarivo. Ohatra iray toy izany koa izao, ho an’ireo mpandeha Sainte Marie. Ny ATR antsika misy toeran’olona 70 isa. 30 na 40 eo no isan’ny olona mandeha any fa rehefa miverina vao feno 70. Ny fiaramanidina anefa, hoy izy, tokony ho feno hatrany satria ny tapakila iray dia vola miditra ho an’ilay sidina. Mbola hojerena ny vahaolana satria ny hetra alaina amin’ny Ravinala airport koa izao dia niakatra be ny an’i Nosy be sy Antananarivo. Efa ho 40 Euro isaky ny tapakila iray no alaina ao anatin’izany, hoy hatrany ity PCA ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT