Toekarena

Kaompania Air Madagascar Ilaina ny fividianana firamanidina vaovao


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Tokony hitady vahaolana hatrany ho an’ny kaompania nasionaly Air Madagascar ireo tompon’andraikitra satria io no mitondra ny fanevan’ny firenena.

 

 

 

Taorian’ny faharesena teo anatrehan’ny fitsarana dia tazomin’ny Air France hatrany ny titra amin’ireo fiaramanidina nifanolanana hoy ny Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana (PCA) Air Madagascar, Atoa Eric Koller. Ilaina  ny fanoloana na fividianana fiaramanidina satria hahazo tombony 8 tapitrisa dolara isan-taona i Madagasikara raha araka ny nambaran’ny teknisiana. Olana foana mantsy ny fahasimbana ara-teknika tahaka ny nahazo ny tao amin’ny Tsaradia izay niteraka fahatarana 15 andro be izao.  Mila fiaramanidina vaovao i Madagasikara mba hialana amin’ireo olana maro tahaka ny fahasimbana matetika sy ny fahatarana izay miteraka fatiantoka be ho an’ny kaompania. Rehefa misy tranga sahala amin’ireny mantsy dia tsy maintsy ampiantranoina sy omena sakafo hatrany ireo mpandeha izay mahatonga fatiantoka tsy hita noanoa hatrany ary izany olana izany no tokony hialana faran’izay haingana araka ny nambarany. Na izany aza anefa dia tena ilaina fitandremana ny fividianana fiaramanadina satria misy amin’ireny no tsy mety eto Madagasikara mihitsy indrindra ny mankany amin’ny faritany. Misy amin’ireo fiaramanidina eto amintsika izao no vao haingana sy tsara kanefa tsy afaka mandeha Toamasina, Sambava sy Diego kanefa raha hiala amin’izay fifanarahana izay dia mbola vola be indray koa no aloha. Misy ihany koa ny be masonkarena tahaka ilay fiaramanidina mihinana solika be indrindra ampian’ny hetra TVA ka na dia feno matetika aza ny toerana dia tsy misy tombony. Tsy afaka hifaninana eo amin’ireo kaompania hafa misehatra amin’ny iraisam-pirenena mihitsy ny Airmad raha tsy misy fiaramanidina vaovao kanefa mbola lavitr’ezaka ny fitadiavam-bola ny amin’izany.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT