Toekarena

Kaominina Talatamaty Mazoto mandoa hetra ny mponina


  • Talata 16 Mey 2017

Mahavelom-bolo ny fampidiran-ketra eo anivon’ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo amin’izao fotoana izao.

 

 Efa tafakatra 50 % hatramin’ny fiandohan’ny taona, hoy ny Ben’ny tanàna Rado Razafindratsimba ary mety hahatratra 80 na 85 % amin’ny  faran’ny taona. Noho ny ezaky ny mponina no nahazoany vokatra na dia nakarina 2 points aza ny hetra nalaina tamin’izy ireo. Nisy ihany ny nimenomenona fa rehefa  nohazavaina tamin’ny mponina ny  hamaroan’ireo filàna sy  fotodrafitrasa mila atsangana eo anivon’ny kaominina dia nanaiky ihany izy ireo. Nomarihin’ny Ben’ny tanàna fa ireo orinasa lehibe sy ireo mpampanofa toerana toy ny trano fandraisam-bahiny no tena niantefan’izany. Tsiahivina moa fa 70 ka hatramin’ny 75 % ny tahan’ny fandoavan-ketra teo anivon’ny kaominina tamin’ny taon-dasa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT