Tsy manam-pahataperana ny disadisa ao amin’ny tsenan’i Mahitsy RN 4. Heno indray mantsy izao fa nametraka fitoriana an’ny ben’ ny tanànan’i Mahitsy sy ireo mpanolotsain’ny tanàna sasany ary ny “commandant brigade Zp” ao an-toerana sy ny sefom-pokontanin’Antandrokomby ny lehiben’ny tsenan’ny kaominina ao Mahitsy, Maminiaina Johnny Rakotondranaly, omaly.
Ny antony dia nisy ny fanalam-baraka azy an-gazety nilazana azy ho mpiray tsikombakomba amin’ny jiolahy fa tsy nisiana porofo, eo koa ny fiampangana azy ho mpanakorontana sy mpanaratsy ny manampahefana ao an-toerana ary ny filazana azy ho mpitarika ny fandavan’ny vahoaka ny fizaran’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina ny tany ao an-tsena izay efa namidiny ka saika hasian’olona pavillons nefa tany manan-tompo fa tsy an’ny kaominina akory. Manampy izay ny fanenjehana azy sy ny fianakaviany ary farany dia ny fanesorana azy amin’ny toerana nofainy tamin’ny kaominina nefa nahavitany trano araka ny contrat nifanaovana ary voaloa ara-dalàna ny hofany noho ireo disadisa ireo. Mbola tantara mitohy araka izany ity fifanolanana tsy ahitam-bahaolana ity.
NtsoavinaEvariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.