Fotodrafitrasa telo samihafa no notokanana omaly alatsinainy 4 septambra teny amin’ny kaominina Ivato, vavahadin’i Madagasikara dia ny CSB II Ambodirano, EPP Ilaivola ary lalana ahafahana mivezivezy mankany amin’ny INPF.
Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny fitondram-panjakana foibe ary ny ezaka teo amin’ny fandoavan-ketra nataon’ny vahoaka teny an-toerana izy ity. « Azo atao tsara ny miara-miasa na dia tsy mitovy firehan-kevitra politika aza ary rehefa miara-mientana ny mpitondra sy ny vahoaka dia azo atao tsara ny mametraka fotodrafitrasa. Aoka hikatsaka ny tombontsoa ambonin’ny firenena ary ajanona ny adilahy politika », hoy ny ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier tonga teny an-toerana nitarika ny solontenam-panjakana tamin’ny fitokanana. Nasiany resaka nandritra io ny lafiny tsy fandriampahalemana izay efa nanomezany toromarika ireo tompon’andraikitra, ka nanamafisany ny baiko hentitra fa « tokony ho hita taratra ao anatin’ny telo volana ny ezaka ataon’ny governemanta ». Noresahiny ihany koa ny ady amin’ny kolikoly ka nilazany fa « Izay ho an’ny vahoaka dia tokony hiverina amin’ny vahoaka toy ny hetra ». Nampanantena indray ny praiminisitra fa hiantomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny tsena ao Ivato, araka ny fangatahan’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa sy ny vahoaka. Nanolotra masomboly voafantina hoentin’ireo tantsaha mamokatra ihany koa ny lehiben’ny governemanta. Nanotrona azy ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana, ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine, ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona Andriambololona Mananjara, ny lehiben’ny Faritra Analamanga Rakotonanahary Ndranto, ireo solombavambahoakan’i Madagasikara roalahy voafidy tao Ambohidratrimo Rabenirina Mamy sy Ratsimbazafy Luc. Nampiantrano ny lanonana kosa ny Ben’ny tanànan’i Ivato niaraka tamin’ireo mpanolotsaina kaominaly mpiara-miasa aminy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.