Toekarena

Kaominina Antanimbary-Betsiboka Namoaka volamena 1600 taonina tamin’ny 2017


  • Alatsinainy 12 Martsa 2018

Anisan’ny faritra tena manankarena harena ankibon’ny tany ny faritra Betsiboka amin’ny ilany andrefan’ny nosy iny, indrindra fa ny volamena. Eo koa ny vato sarobidy maro samihafa tahaka ny Topaze, Beryllium, Titane, Améthyste ...

 

Kaominina iray fanta-daza amin’izany ny kaominina Antanimbary, nahatratra 1600 taonina ny volamena notrandrahana tany an-toerana tamin’ny taon-dasa, araka ny fitantaran’ny ben’ny tanàna, Atoa Jacques. Nahatratra 700 tapitrisa ariary ny vola azo avy amin’izany, Eo indrindra anefa no somary mampalahelo, hoy ny ben’ny tananàn’Antanimbary satria 100 tapitrisa ariary monja avy amin’io, izany hoe ny 1/7-n’ny vola niditra no azon’ny kaominina manana ilay harem-be. Efa tena nanao ezaka be anefa izahay nampanara-dalàna ny mpitrandraka volamena mba isorohana ny gaboraraka sy hahafantarana ny tena toerana niavian’ny volamena, hoy hatrany ingahy ben’ny tanàna. Maivana loatra  io tamberim-bidy omena ny kaominina nahitana ny volamena io, hoy hatrany ny fanazavana koa hanairany ny tompon’andraiki-panjakana mba hijery ny fomba hanitsiana azy. Tena vola be tokoa ny resaka harena ankibon’ny tany eto Madagasikara, saingy tsy voalamina sy tsy voarindra tsara, hany ka olom-bitsy aloha hatreto no tena mahazo tombony ary tena mangetaheta ambony lakana ireo kaominina misy ny harena fa tsy mahazo tombony ara-drariny mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT