Toekarena

Kaominina Ampitatafika Hisy fananganana orinasa maromaro ato ho ato


  • Zoma 18 Janoary 2019

Nanana olana hatrany ny kaominina Ampitatafika hatramin’izay noho ny fitohanana mampalaza ity faritra ity ka tsy mahasarika ireo mpandraharaha hampiasa ny volany eny an-toerana.

 

  Mety ho lany eny am-pandehanana avokoa mantsy ny fotoana rehetra ka tsy vitsy ireo nihemotra na dia mankafy ny tanànan’Ampitatafika aza. Hivaha tsy ho ela anefa izany, hoy ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina ka mety ho fitaratra any amin’iny faritra   atsimo andrefana iny  mihitsy ny kaominina tantanany. Mety hisy ato ho ato ny fananganana orinasa maromaro eny an-toerana aorian’ny fahavitan’ny asa fanamboarana sy fanitarana ny  lalana mihazo ny lalam-pirenena. Anisan’izany ny orinasa misehatra eo amin’ny resaka lamba izay nomarihiny manokana fa hiteraka asa marobe ho an’ny mponina tokoa. Nankasitraka feno izao ezaka nataon’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka hanamboatra ny lalana eny an-toerana izao moa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena  Jean Max Rakotomamonjy izay marihina fa mponina eny an-toerana ihany koa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT