Toekarena

KAOMININA AMBOHITRIMANJAKA Tsy avelan’ny kaominina manao biriky intsony ny mponina


  • Alakamisy 17 Aogositra 2017

Ny 95%-n’ireo mponina ao anatin’ny kaominina Ambohitrimanjaka dia saika mivelona amin’ny asa fanaovam-biriky avokoa. Ankehitriny anefa misedra olana goavana izy ireo.

 Tsy avelan’ny kaominina namboatra biriky manamorona ny ranon’Ikopa intsony mantsy ireo fianakaviana mivelona amin’izany ao anatin’ny kaominina ity, fampandrenesana nataon’ny Ben’ny tanàna nandritra ny fiantsoana fivoriana maika  niarahany tamin’nireo  mponina ao an-toerana ny herinandro teo. Antony raha araka ny fanazavan’ireo mponina dia manahy mafy ny amin’ny mety hihotsahan’ny tany manamorona ny ranon’Ikopa  ny Ben’ny tanàna. Eo an-danin’izay anefa hoy izy ireo dia efa tamin’ny taona 1972 no nisy fanamboarana biriky tao Ambohitrimanjaka ary tsy mbola nisy ny olana goavana nitranga. Manahy ny ho very asa fivelomana tanteraka araka izany ireo mponina ao amin’ity kaominina iray ity koa manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hijery akaiky ny zava-misy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT