KAOMININA AMBOHIMANGAKELY

Nahazo ny anjara milina fanodinam-bokatra


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Nahazo ny anjarany tamin’ny milina ODOF ihany koa ny Kaominina Ambohimangakely,

Distrikan’Antananarivo Avaradrano. Naterin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tany Ambohimangakely omaly Alarobia 27 martsa, ny milina manodina ny vary ho lasa paty. « Hampiroborobo sy hampisy fivoarana eo amin’ny farim-piainanay tantsaha mpiompy sy mpamboly ny fisian’ny milina eto an-tanana », hoy ireo kaoperativa ao an-toerana. « Sarotra ny fitadiavana lalam-barotra hatramin’izay, ankehitriny dia manana fanantenana izahay fa hisy ireo mpandraharaha handray ny vokatra». Mahazo tombontsoa amin’ny fisian’ny milina avokoa na ireo mpamboly na ireo mpiompy akoho manatody lava ao an-toerana. Misitraka ny tombontsoa araka izany na ny mpisehatra eo amin'ny fiompiana akoho manatody lava na ireo mpamboly vary ao amin'ny distrikan'Antananarivo Avaradrano izay samy voakasika sy handray anjara fototra amin'ny famatsiana akora ho an'ny milina rehefa hiodina izany. Izany indrindra ny tanjona kendren’ny Tetikasa ODOF voizin’ny Minisitera ankehitriny, manala ny fahasahiranan’ny tantsaha eo amin’ny fampiroboroboana ny vokatra ifotony. Notsindrian’ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria fa antoky ny fampandrosoana ny fanorenana ifotony izany hoe mijery ny famokarana ary mampiroborobo izany mandrakariva. Manodina lafarina azo avy amin’ny vary 400 kilao isan'ora ny milina ary mamokatra paty hatramin'ny 4 taonina isan’andro izany milina izany. Hiroso tsy ho ela amin'ny dingana fanaovana ny antso ho an'ny tetikasa ny eo anivon'ny Minisitera noho izany ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny milina omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT