Toekarena

Kaominina Ambohijanaka Vita soa aman-tsara ny tsena, efa ho vita ihany koa ny lalana


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Vita soa aman-tsara ny tsena ao amin’ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’Atsimondrano. Omaly no nitafa sy naka ny hetahetan’ireo mpivarotra ao an-toerana ny Ben’ny tanana Alain Ratsimbazafy no sady nijery ny foto-drafitrasa. Mitentina 160 tapitrisa Ar no nanamboarana azy io,

famatsiam-bola avy amin’ny fitondram-panjakana. Voadidina tamboho ihany koa ny tsena, famatsiam-bola avy amin’ny “Comité local de développement” izay notantanan’ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano. Ankoatra ireo dia ny 50 %-n’ny asa fikojakojana ny lalana mampitohy an’Ambohijanaka sy Tsilazaina ihany koa amin’izao fotoana izao no efa vita, foto-drafitrasa mamakivaky ny Fokontany Ambatolampy sy Antovontany. Mirefy 1 km sy 300 ny lalana raha mitentim-bidy 138 tapitrisa Ar kosa ny lela-vola lany tamin’izany, famatsiam-bola avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana  ny tany. Marihina moa fa nahazo tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena vaovao ihany koa ny Fokontany Tsilazaina, herim-pon’ny vahoaka sy ny malala-tanana ka ny 70%-n’ny asa ihany koa no efa vita.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT