Toekarena

Kaominina Ambavahaditokana Fotodrafitrasa 3 sosona no notokanana


  • Sabotsy 24 Jona 2017

Fotodrafitrasa 3 sosona no notokanana tao amin’ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly, dia ny birao vaovaon’ny fokontany Amboatavo,

 ny birao nohavaozina ao amin’ny fokontany Antanjona ary ny tobim-paritra (Poste Fixe) an’ny zandary miasa eo anivon’ity kaominina  Ambanivohitra ity. Ny 80%-n’ny fandaniana tamin’ireo fotodrafitrasa ireo dia avy amin’ny tolotanana mivantana nataon’ny mponina avokoa. « Ny tsy manana sy ny tsy mahakolokolo anefa dia mitovy ihany », hoy ny Ben’ny tanàna Ratianarivo Andriamihaja Bruno, koa nanentana ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ny tenany mba hahitam-bokany ny fiezahana hampandroso ny tanàna. Ny solombavambahoakan’i Madagasikara Raharimanarivo Voahangy, voafidy tao Antananarivo Atsimondrano kosa dia nankasitraka ny ezaka ataon’ny Ben’ny tanàna  sy ny ekipany ary ny faharisihan’ny vahoaka amin’izay tolo-tanana ilaina amin’ny asa toy itony. Mbola maro anefa ny adidy miandry koa niantso ny fahafoizantenan’ny tsirairay hatrany izy handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana an’Ambavahaditokana. Ny lehiben’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano no solontenam-panjakana nanatrika ny lanonam-pitokanana teny an-toerana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT