Toekarena

Kaominin’i Bemanonga Ranon’orana no nanetsana


  • Talata 21 Martsa 2017

2 taona raha ny fanazavan’ireo mponina ao amin’ny kaominin’i Bemanonga, lalana mihazo an’i Morondava,

 no nikaikaika tamin’ny fiakaran’ny vokatra tany an-toerana, noho ny tsy fahampian-drano izy ireo. Notapahan’ny orinasa iray misahana ny fiarovana ny allée des baobabs ny lakandrano namatsy ity kaominina ity tamin’ny fotoan’androny, raha ny filazan’ireo mponina, fa hoe maimbo ary manimba ireo baobab ao an-toerana. Voatery miandry orana hilatsaka hatrany ny mponina nanomboka teo mba ahafahana mikarakara ireo vokatra izay nivavahana mba hisy. 5 volana kosa izao no nahitan’ireo fokonolona loharano vaovao heverin’izy ireo fa azo hamatsiana ireo voly efa mitady ho karankaina ary dia mbola mitohy ny fitarihan’izy ireo izany amin’ny alalan’ny angady nanomboka teo amin’ny fokontany antsoina hoe Tandily ho any Ambarata, izay mifanelanelana 15 km. Miangavy ny fitondram-panjakana izy ireo, hijery akaiky ny toe-draharaha any an-toerana satria manampy trotraka ny fahasahiranan’izy ireo koa ny tsy fandriampahalemana, raha ny hafatr’izy ireo hatrany.

Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT