Toekarena

Kandida Eric Rajaonson “Hanao revolisiona politika isika”


  • Zoma 20 Jolay 2018

Niampy iray indray ! Nanamafy ny maha kandidà ho filoham-pirenena azy i Eric Rajaonson.

Natolotry ny vovonana “Areno ny firenena” ny tenany amin`ny fifidianana izay hotontosaina ny 7 novambra ho avy izao. “Tsy maintsy mandray andraikitra amin`ny Malagasy aho amin`ny maha olom-pirenena ahy. Efa hita daholo ny ataon`ny filoham-pirenena nifanesy teo ary tsy nisy nandeha tamin`ny laoniny daholo. Tsy mba faly ve isika fa misy olon-tsotra , vonona handray an-tanana ny hoavin`i Madagasikara, ka sahy matoa mijoro eto ? Tsy voatery ireo olona fantatra ireo foana no hitondra eto ka mila manana fahasahiana manova isika”. Izay no nambaran`i Eric Rajaonson teny Karibotel Analakely, omaly, amin’ny fanekeny ny fanolorana azy ho filoham-pirenena. Ifotorany ny fanomezan-danja ny Malagasy eo amin`ny mahaolona satria ny olona manam-panahy ihany no afaka mamerina ny hasin`ny Malagasy. Hanatanteraka revolisiona politika eto Madagasikara ny tenany ka ovaina ny fomba fanaovana politika satria tena maloto mihitsy eto amintsika. Farany, hamerina ny hasin`i Madagasikara. Lalàna tsy azo ivalozana ny fifidianana ary manameloka ireo manohitra izany satria milaza ireto farany fa fahavalom-pirenena izay mandà ny fanorenana ifotony. Milalao ny sain`ny olona ary fanaovan-tsinotsinona izany. Manana vinam-piarahamonina ho fampandrosoana an`i Madagasikara izy ary hampahafantariny amin`ny fotoan`ny fampielezan-kevitra.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT