KAMIAO MPIVAROTRA LODISIA

Am-polony isan’andro ireo tonga eny Anosibe


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Manapaka lalana mihitsy efa ho telo herinandro izao ireo kamiao mpitondra lodisia avy

any amin’ny faritra Atsinanana sy Atsimo Atsinanana tonga eto an-drenivohitra. Raha araka ny fantatra dia am-polony isan’andro izy ireo no miditra eto Antananarivo ka ny arabe mivoaka ny tsena mihitsy no misy fahatapahana, hany ka miteraka fitohanana isan’andro eny amin’iny faritra iny. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra lodisia tonga eny amin’iny faritra iny anefa dia tena ratsy ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa. Tsy manam-bola ny olona hoy izy ireo, antony mahatafidina ho 10.000 Ar ny lodisia iray garaba. Zara raha mahalafo 40 garaba ny kamiao iray nefa misy amin’ireo karazana lodisia no tsy maintsy laniana ao anatin’ny 24 ora fa simba. 22.000 Ar kosa no lafo indrindra amin’ireo karazana lodisia mba tsaratsara iray garaba saingy ny mpanontany no betsaka. Tsiahivina moa fa efa misy hatramin’ny 1.000 Ar ny iray kilao amin’ny lodisia amin’izao eny an-tsena raha 1.500 Ar no lafo indrindra. Afaka herinandro mahery eo ho eo dia ho tapitra ny lodisia eny an-tsena raha tsiahivina.
Pati
Legende : Mitobaka fatratra eto an-drenivohitra ireo vokatra lodisia avy any amin’ny faritra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT