Toekarena

Kalitaom-bokatra aty Afrika Lasa aloha ny Malagasy


  • Zoma 17 Novambra 2017

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy omaly ny atrikasam-panarenana mikasika ny fivoriana fahenin’ny komity fifanarahana ekonomika na ny APE sy ny atrikasa fanomanana ny fihaonambe faha-11

 an’ny rafitra iraisam-pirenena momba ny varotra na ny OMC izay samy tohanan’ny vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa Procom. Tanjona, raha ny fanazavana, ny hihazona sy hanamafy ny rafi-barotra misy eto hifandrindra amin’ny fenitry ny OMC.  Araka ny nambaran’ny minisitry ny varotra, Chabani Nourdine, dia lasa aloha ny Malagasy, raha kalitaom-bokatra ary betsaka ireo vokatra aondrantsika. Ny sehatry ny lamba no tena fanondrantsika eo amin’ny vondrona APE ka mitentina 986 tapitrisa euro no miditra raha 565 tapitrisa euro kosa no mivoaka. Misy moa ny tohana ho an’ny tantsaha izay mitentina 10 tapitrisa euro avy amin’ny vondrona eoropeanina ho amin’ny taona ho avy ary voakasika manokana ireo vokatra fanondrana mampalaza antsika, toy ny Lavanila sy ny Jirofo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT