Kajikajin’ny Fanjakana momba ny volamena

« Tsy maintsy hisy irika amin’ny vola vola maloto… »


  • Alarobia 22 Mey 2024

Tsy an’i Rajoelina akory ny harena eto ka hoe ny zanany lahimatoa no atao mpitantana izany fandiovana na «raffinerie»

volamena eto Madagasikara izany, hoy ny kandida solombavambahoaka laharana faha 6 ao amin’ny boriboritany faha 4, Vonison Andrianjato. Zava-doza izany, hoy izy. Ny FMI izay mametraka amin’ny toerany ny toekarena eto Madagasikara dia sarotiny amin’io banky foibe io. Manana fahaleovantena ara-bola ny banky foibe ary tsy miankina amin’ny filoha fa miankina amin’ny primatiora. Efa nisy fandikan-dalàna be dia be nametraka an’io governora vaovao io raha toa ka tokony ho ny lefiny no niakatra teo. Io resaka «raffinerie» io misy hoe tsy maintsy ny G for S no mitatitra ilay volamena manao famindram-bokatra na « transfert de fond» ary ny KLM no fiaramanidina mitarika azy mitatitra an’io volamena io ho eken’ny olona. Manginy fotsiny ny hoe tsy misy vola maloto, tsy mampiasa zazakely, tsy mampiasa vehivavy, tsy mampiasa merkiora. Miala tsiny aho fa tsy maintsy misy irika amin’ny vola maloto io satria ny fanjakana tsy mahavita manara-maso na manao «traçabilité» afa-tsy 12,2% amin’ny vola miodina eto Madagasikara. Misy 88% izany miodinkodina eo tsy maintsy mitady lalana. Ho aiza io? Ny akaiky indrindra an’io izany dia ny volamena. Ny tatitra amin’io dia ny atsy Dobay sy Italia sy ny namany rehetra. Tsy misy dikany izany ny rehetra atao. Ny governora mividy volamena feno fako. Io ahondrana any an-dafy io. Iza izany no hameno ny banga amin’io hoe 1,700 taonina no nalefanay? Isika nefa mividy feno. Ny fihenonay azy raha ny zava-misy manerana an’i Madagasikara sy ny boriboritany faha 4 misy ahy dia tena leo. Tofoka ny olona. Tsy mety io fanjakana io. Mila apetraka ny antsoina hoe pedagojia politika ary efa ao anatiny izany ambarako rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT