Toekarena

Julien Andriamorasata “Sorabola fa tsy vola no betsaka eto”


  • Zoma 12 Novambra 2021

Tokony hiasa mafy ny fahefam-panjakana amin’izao fotoana izao, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitantanana raharaham-panjakana, Julien Andriamorasata.

Miisa 3 izy ireo, raha tsiahivina dia ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalana, fahefam-pitsarana, hoy izy. Ilay fahefana mpanatanteraka miaraka amin’ny filohan’ny repoblika dia ny governemanta no tena tiako ho resahana. Misy izao ny fitokonana isan-karazany, ny tsy fandriampahalemana any ambanivohitra izay miteraka fihenan’ny famokarana amin’ny ankapobeny, ny fitotonganan’ny sandam-bola Malagasy miteraka fahantrana. Misy ny tsy fijerena ny laharam-pahamehana nefa ny vola tsy betsaka. Tokony ho mailo ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ka ny sosialim-bahoaka sy ny tsy fandriampahalemana izany amin’izao fotoana izao no tokony jerena faran’izay haingana. Ny fisian’ny grevy maro dia midika fa mitotongana ny raharaham-panjakana eto amin’ny firenena. Tsy tokony ho be loatra ny politika ny fahefana mpanatanteraka fa mampitotongana. Fantatra fa manomana ny 2023 ianareo fa aleo hiasa aloha ny governemanta. Mandinika an’io ny mpamatsy vola sy fianakaviambe iraisampirenena. Milaza ianao fa be vola nefa rehefa jerena ny lalana mifehy ny tetibola dia ny sorabola no betsaka fa ny vola kely. Misy olona vitsy an’isa manana tsindry any amin’ny governemanta eto ary ireo no mijery ny tsenam-barom-panjakana. Hitan’ny olona izany ka mitandrema fa tsy mora ny mitantana raharaham-panjakana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT