Josephin Andriandrainarivo

«Tsy fanovana fa fanarenana no andrasana eto»


  • Alarobia 12 Jona 2024

Mbola ny fifanandrinana tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika io mitohy amin’ny

fifidianana solombavambahoaka io, hoy ny raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo. Vondrona miisa 3 lehibe izao no misy, hoy izy. Fahaefatra ny tsy miankina, izay maromaro ihany. Ny IRMAR, Firaisankina ary Kolekitifa kosa no telo. Ho anay izay tsy miandany amin’ireo vondrona sy firehana ireo fa miandany amin’i Madagasikara, ny vahoaka malagasy, ny tanindrazana kosa dia mametra-panontaniana izahay hoe rahoviana no hifarana ilay fifanandrinana? Nisy niteny ireo tamin’ireny hoe avy eto ananona no hiainga ny fanovana an’i Madagasikara. Hoy aho hoe tsy ilaina ovaina izany i Madagasikara fa arenina. Arenina amin’ny maha izy azy, hasin’ny tany, hasin’ny fomba, hasin’ny maha malagasy dia manana ny fiandrianany, fahaleovantena tena izy. Izay no andrasana amin’ny olompirenena rehetra. Tsy fanovana fa fanarenana no andrasana eto. Fanarenan-kasina, fanarenana ity Madagasikara ity. Olona natao hidodododoan’ny vahoaka sy hitondra ny heviny izany solombavambahoaka izany nefa mbola tsy vita akory ny zotram-pifidianana dia variana ianao mahita fa fifanenjehana amin’ny resaka hala-bato sahady no maredona eraky ny tanàna. Mifanasa vangy etsy sy eroa. Misy mandoro trano ny sasany. Inona no azoko andrasana amin’izany, raha izaho manokana? Lany indray ary ry zareo rehefa avy eo dia hifaninana amin’ny maro an’isa sy vitsy an’isa indray ao amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena ao. Tsy izany no andrasan’ny vahoaka amin’ny depiote na solombavambahoaka fa ny maharary azy amin’ny fiainany an-davan’andro. Fandriampahalemana, fahasalamana, fianaran’ny ankizy, ny fihariana na fambolena io na fiompiana na varotra izay ataony. Ny fijerena ny rindran-damina amin’izany no andrasana. Mandinika ireto mpivarotra amoron-dalana aho, hoy ny kandida iray tamin’ny fotoan’andro. Ahoana tokoa fa fony nandeha ny propagandy dia nilamina ny mpivarotra amoron-dalana teny Analakely? Vao lany nefa ilay olona avy eo, lasibatry ny fanenjehana voalohany ny mpivarotra amoron-dalana. Eran’i Madagasikara no nisy izany. Manao asa tsy ao anaty lalàna na tsy manara-drafitra ny mpivarotra amoron-dalana. Ahoana ary izany no ahatonga ny olona tahaka ireny hanana fiantohana ara-tsosialy? Tokony asiana satany ireny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT