Toekarena

Jono sy harena an-dranomasina Hiara-kiasa i Madagasikara sy ny vondrona Eoropeanina


  • Talata 03 Martsa 2020

Nihaona sy nidinika tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian sy ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika,

 

 

Andriamatoa Giovanni Di Girolamo, omaly maraina. Nifototra tamin’ny fanaovana tombana sy fanatsarana ny fiaraha-miasa misy eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina io, ary famantarana ny endriky ny ho fiaraha-miasa vaovao manomboka amin’ny taona 2021, raha ny tatitra. Hatomboka amin’ity taona 2020 ity, araka ny nambaran’ny Ambasadaoro, ny fijerena sy ny famantarana bebe kokoa an’ireo sehatra mety ho azo hanaovana fiaraha-miasa, mba hampiharana tetikasa amin’ireo sehatr’asa sasantsasany efa misy sy hanitarana ny fiaraha-miasa amina sehatra vaovao. Noresahin’ny roa tonta koa ny sehatry ny jono izay manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena : ao anatin’izany moa ny tontolon’ny fandraharahana an-dranomasina, sy ny ady atao amin’ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko. Natao bango tokana ny mikasika izay fepetram-pitantanana hapetraka, ary izany dia hoezahina ao anatin’ny volana vitsivitsy. Ankoatra izay, dia notsiahivin’Andriamatoa Giovanni Di Girolamo ny fidinana tany Atsimon’ny Nosy, niarahany tamin’ny filohan’ny Repoblika, ka nahatsapana ny zava-misy iainan’ireo faritra any Atsimo vokatry ny hain-tany, ary nahatonga ny Vondrona Eoropeanina hamatsy vola mitentina 3 tapitrisa euros ny iray amin’ireo fandaharan’asa lehibe ho amin’ny fampandrosoana, dia ny « fandaharan’asa fampandrosoana ny faritra atsimo » izany, ka hetsika maro ho fampivoarana ny eny ambanivohitra no hatao, toy ny fanaovana lava-drano miisa 100, mba hampihena amin’ny ampahany ny olan’ny tsy fahampian-drano. Noresahina ihany koa, hoy izy, ny dingana manaraka hirosoana amin’ilay tetikasa famatsian-drano eto Antananarivo Renivohitra iarahana amin’ny Vondrona Eoropeanina, izay efa niantomboka herinandro vitsivitsy lasa izay.

Toky  R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT