Toekarena

Jono eto Madagasikara Nisy fiakarana ny vola niditra tamin` ity taona ity


  • Talata 01 Desambra 2020

Hisokatra ny 15 desambra izao ny taom-panjonoana vaovao taona 2020-2021

 

 

ary hifarana amin’ny 31 marsa 2021 ny fangatahan-dalana fahazoana manangom-bokatra, araka ny didim-panjakana lah. faha 00.048/2008 tamin`ny 07 janoary 2008 and. faha-2. Raha ny 3 taona lasa no jerena dia tsy nisy fiovaovana ny karatra fanangonam-bokatra. Ny taona 2019 no nahitana karatra betsaka indrindra izay mitotaly 1 567; ary ny taona 2020 no vitsy indrindra izay mitotaly ho 1 424. Eo amin` ny fafiny ara-bola dia nampiditra 1 537 940 000 ariary tamin` ny alalan` ny “redevance” naloan` ireo mpanagom-bokatra sy ireo mpisehatra. Nanamafy ny tale jeneralin’ny jono sy ny fiompiana anaty rano, i Bemanaja Etienne omaly fa “na nisy aza ny valanaretina Covid 19 dia nanohy ny asany ny teo amin` ny fanagonam-bokatra sy ny fanondranana vokatra any ivelany. Misy fiakarana ny vola niditra raha oharina tamin` ireo telo taona ny vola niditra. Ny taona 2019 dia 1 369 160 000 ariary ny vola niditra raha 1 267 445 000 ariary izany tamin` ny 2018”. Nambarany hatrany fa noho ny fanatsaràna ihany koa ny fampidiram-bola eo amin` ny sehatry ny jono, izay mampiditra ny 7% amin` ny harinkarena faobe, no antony. Betsaka ny fanavaozana hoentin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana ary ny jono amin`ny taona 2021. Nohamafisina ny fanajana ny vanim-potoana fanavaozana fanangonam-bokatra, tsy misy intsony aorian’ny 31 marsa 2020 ny fifampiraharahana, raha tsorina ny kolikoly hahazoan’ny sasany fahazoan-dalana manangom-bokatra. Notsiahivin’ny tale jeneralin’ny jono, ny fepetra takina amin’ireo mpanangom-bokatra. “Efa nisy ny « guichet unique » hahafahana mikirakira antontan-taratasy. Io no hisorohana ireo mpanelanelana. Ny tompon`ny dosie ihany no mitondra ireo anton-taratasy eny amin` ny minisitera. Hisy fametrahana “antenne” any amin` ireo faritra be vokatra. Efa hisy dimy amin ny taona ho avy ka ho hentitra ny minisitera amin` ny fanaraha maso” hoy izy. Tranga matetika hita ny tsy fanajàna ny vanim-potoanan` ny fanangonam-bokatra sy ny tsy fanarahana ny habean` ny vokatra. Marihana fa misy fenitra tokony arahina ireny. Fanatsarana ny fitantanana ny tanjon’ny minisitera miandraikitra ny jono, ka sarotiny, araka ny nambaran’ny tale jeneraly ihany. Mazava ny lalàna momba izany, anarivony ireo mpandraharaha amin’io sehatra io, tsy Malagasy ihany fa ahitana vahiny betsaka.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT