Toekarena

Joël Randriamandranto “Mpizahan-tany 800 000 isan-taona no tanjona”


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Nandritra ny valan-dresaka niarahana tamina mpanao gazety vahiny iray no nilazan` ny ministry ny fitaterana sy ny fizahan-tany, Joël Randriamandranto, fa ny fizahan-tany no anisan` ny sehatra nampiditra vola betsaka tao anatin`ny kitapom-bolam-panjakana satria nitentina 520 tapitrisa dolara izany tamin`ny taona 2018.

 

 

 

 Izany hoe ny fizahan-tany dia anisan` ny sehatra tsy azo ihodivirana amin` ny toekarena Malagasy noho izy namelona sehatr` asa mivantana an` arivony mahery. 7 % ny fandraisany anjara amin` ny harinkarena faobe nasionaly. Nilaza kosa ny ministra fa raha ny antontan` isa ireo mpizahan-tany, izay niisa 300 000, amin` izao dia mbola lavitra amin` ny vina apetraky ny Filoham-pirenena,. Nandritra ny dian` ny Filoha tany Maorisy mantsy dia mikasa hampitombo ny isan` ny mpizahan-tany ho 800 000 ny fitondram-panjakana ato ho ato. Notsindrin` ity minisitra ity aloha fa tsy ampy fotodrafitrasa, ny tsy fahampian` ny tetibola natokana ho fampiroboroboana ny fizahan-tany no anton` ny tsy mampandroso io sehatra io eto amintsika. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fandriampahalemana, ny loza voajanahary ary ireo valan-aretina maro samihafa izay nifanesy tato ho ato ka mampihemotra ireo mpitsidika. Mikasa ny hamaha ireo olana ireo ny minisitra vaovao ary avo roa heny ny isan'ireo mpizaha tany ato ho ato. Izany dia amin' ny alalan' ny fametrahana fanavaozana ny fitaterana an-habakabaka sy ny fanokafana ny lanitra Malagasy ho anisan'ny "Open Sky". Marihana hatrany fa nanome alalana ny kaompania maorisina ny Filoham-pirenena Malagasy amin`ny fiakaran' ny sidina Madagasikara - Maorisy mba hampiroborobo ny fizahantany eto amintsika.

Maro no sakana

Na dia izany anefa dia mbola maro ny sakana tsy hahafahan’ny fizahantany miroborobo araka ny tokony ho izy eto amintsika. Anisan’izany ohatra : ny fanelingelenana ataon’ny tompon’andraikim-panjakana sasantsasany, ny kiantranoantrano na koa fitakiana zavatra mihoatra ny ara-dalàna eo amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy ilain’ny mpandraharaha, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, tsy fahampianan’ny fitaterana sy ny tsy fahatomombanan’ny fitanterana, ny vidin’ny jiro, … Sakana iray lehibe ihany koa ho an` ny fizahan-tany eto amintsika dia ny tsy fandriampahalemana any amin` ny faritra maro ka maro ny vahiny miverin-dalana. Faritra maro manerana ny Nosy no efa nahavitan` ireo mpikaroka fanadihadiana samihafa eo amin` ny tontolon` ny fizahantany: ny harena anaty ranomasina sy ranomamy, ireo biby sy zavamaniry tsy misy afa-tsy eto an-toerana. Olana tsy maintsy vahana daholo ireny raha tiana ny hampandroso ny fizahantany .

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT