Toekarena

Jirofo Malagasy Mbola mila ezaka ny fanatsarana ny kalitao


  • Talata 13 Aogositra 2019

Misokatra nanomboka omaly alatsinainy 12 aogositra 2019 ary mifarana ny zoma 20 septambra ho avy izao ny fandraisana ireo antontan-taratasy fangatahana fankatoavana ho an’ny taom-piotazana 2019-2020 ny amin’ny fanondranana jirofo.

 

 

 

 Nihatsara hatrany ny fanondranana ny vokatry ny jirofo tanatin’ny 3 taona farany teto Madagasikara. Ny taona 2003 hatramin’ny 2009 dia ny vokatra mahakasika ny lamba sy ny akanjo no nitàna anjara toerana lehibe teo amin’ny fanondranan’entana. Manaraka azy teo ny vokatra jirofo sy ny lavanila ary ny hazan-dranomasina izay nampian’ny harena ankibon’ny tany ny taona 2012. Amin’izao fotoana izao dia ny vokatra lavanila sy jirofo mihitsy indray no mitana ny laharana voalohany amin’ny vokatra aondrana. Raha ny tsena iraisam-pirenena dia nanome 7,8% amin’ny fanondranana ankapobeny ny jirofo ary nanome 35,8% amin’ny tsena maneran-tany tamin’ny taona 2016. Tao ho ao anefa dia tsikaritra fa niharatsy ny kalitaon’ny vokatr’i Madagasikara izay tena mahasarotiny ny tsena iraisam-pirenena. Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana no mpamokatra jirofo saingy efa antitra loatra ny fototra ka ilaina ny fanavaozana ny voly. Mahatratra hatramin’ny 20 000 taonina isan-taona ny jirofo aondrana ary Indonezia no tena mandray betsaka izany satria ny 40%-n’ny vokatra dia mankany avokoa. Ankoatra izay, tsy ampy ny fiofanana ho an’ny tantsaha mpamboly sy ireo mpandraharaha izay tsy manaraka ny fepetra takiana momba ny kalitao eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ao anatin’ny fifanakalozana ara-barotra hatao dia tokony hanararaotan’i Madagasikara ny fananana ity vokatra mampidi-bola be ity amin’ny maha- mpikambana azy amin’ireo vondrom-paritra ara-toekarena izay misy tsena lehibe tahaka ny SADC sy COI ary ny COMESA. Tsy maintsy milofo amin’ny fanatsarana ny vokatra ny mpisehatra rehetra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT