Toekarena

JIRAMA Tale 35 mety ho voadaka


  • Talata 22 Febroary 2022

Misy toe-draharaha tsy milamina indray ao anatin’ny Orinasa Jirama. Tale manodidina ny 35 amin’ireo 48 eo anivon’ny JIRAMA no mety hoesorina sy hosoloina, raha ny loharanom-baovao azo.

Saika Tale notendrena tamin’ny fitantanan’Atoa Vonjy Andriamanga ny ankamaroan’izy ireo. Ity farany, izay tsiahivina fa nesorina tamin’ny toerana tsy ho Tale Jeneralin’ny Jirama ny 13 oktobra 2021 noho ny olana maro ara-pitantanana. Nisy fivoriana fanaovana tombana sy “entretien” natao ny 14 febroary teny Ambohimanambola momba ny mety ho fanapahan-kevitra ara-pitantanana ao amin’ny Jirama io, araka ny loharanom-baovao hatrany. Mety hahena 42 ny isan’ny fitaleavana. Tsy mivoaka hatramin’izao anefa ny fanendrena ireo Tale vaovao. Voalaza ihany koa, fa misy sendika mikonona grevy noho io fitarazohan’ny fanendrena io. Etsy ankilany koa anefa ireo Tale maheno fa hoesorina dia tsy mipetra-potsiny, fa manao ny fomba rehetra hijanonana amin’ny toerany. Misy ady mangatsiaka na ady mangotraka mihitsy indray izany ao anatin’ny Jirama, raha zohiana amin’io. Asa raha hiteraka delestazy sy fahatapahan-drano koa ity raha ity.

TROSA, FATIANTOKA,…
Mety ho henjana ny fiadivan-tseza sy tombotsoa. Ny volana oktobra, niparitaka ny resaka sy ny taratasy nilaza fa volabe 1 miliara mahery (1 031 000 000Ar) nifampizaran’ny mpiasa miisa 32 teo anivon’ny Jirama tamin’ny fitantanan’Atoa Vonjy Andriamanga, izay voalaza fankasitrahana manokana na “prime exceptionnelle” ho an’ny mpitantana sy mpiasa navoaka ny 31 aprily 2021, niainga tamin’ny 5 000 000Ar hatramin’ny 180 000 000Ar isan’olona izany. Efa misy ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana misahana ny kolikoly momba io, saingy mbola tsy re aloha ny tohiny hatreto. Ny 11 novambra 2021 ihany koa no namoahan’ny Tambajotra Malina ny fanadihadiana lalina “Jiro Maizina”, izay niarahany tamin’ny Tranparency International-Initiative Madagascar, Friedrich Ebert Stiftung,… mikasika ny lesoka samihafa toy ny ara-pitantanana, ny kolikoly,… Naneho ny Minisitry ny angovo Atoa Andry Ramaroson ao anatin’io horonan-tsary io fa bokan-trosa ny Jirama, raha mbola manohy varotra faty antoka, dia tsy ho tafavoaka izany, ka mila manova ny “business model”. 707 miliara Ar ny trosa, raha ny tatitra ofisialy ny 2020 ka isan’ny olana ny fifanarahana amin’ny resaka fividianan’ny Jirama Angovo.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT