Toekarena

Jean Jacques Ratsietison «Vao nanomboka dia fatiantoka ny ozinina CVO sy CVO+ »


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Nahitsy Atoa Jean Jacques Ratsietison omaly maraina, raha nivahiny tao amin’ny

 

Fandaharana Bemiray ao amin’ny Onjam-peo Top Radio FM102.8 fa vao nanomboka dia efa fatiantoka ny resaka ozinina famokarana fanafody nireharehan’ny Fanjakana. Nambarany fa tsy mitsabo ary tsy miaro ny covid-19 ny CVO sy ny CVO+. Tsy misy soratra hoe miaro sy mahasitrana ny covid-19 ny vatany. Ny Afrikanina nanao fikarohana an'io fa nahita hoe tsy izy io. Nilaza hanafatra vaksiny efa nampidirina tao anaty LFI2021 izay midika fa tsy mandeha io, izay va nesorina. Raha nandeha io dia amina tapitrisany ny CVO naondrantsika tany ivelany, ary efa nieboebo ny teto. Lazao am-pahibemaso, aza fitahina ny Malagasy, hoy izy. Raha alefalefa fotsiny amin’izao io dia poizina satria ny 90% amin’ny Malagasy misy “tension” sy misy diabeta no tsy mahalala ny fisiany amin’ny vantany akory noho ny fahantrana. Ambara fa efa misy ny hopitaly manara-penitra, ka nahoana ny any La Réunion ny Praiminisitra no mandeha. Raha manara-penitra ireny tsy tokony ho any ivelany ny mpitondra. Esory amin’ny vava ny resaka “manara-penitra”, fa ny zavatra hatao eto dia famitaham-bahoaka, hoy i Jean Jaques Ratsietison.

NOLAVINA

 Mikasika ny toekarena sy ny sosialy kosa, dia tokony ho vitan’ny Fanjakana ny mamoaka didim-panjakana, tonga dia midina any amin’ny ampahefany ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny fanafoanana ny MID (Marché Interbancaires de devises). Didim-panjakana no nametraka ny MID teto, ary didim-panjakana dia efa ahafahana manala azy. 80% tamin’ny CST no efa nanaiky an’io tamin’ny tetezamita, ary olona roa no nanakana dia ny Filohan’ny HAT tamin’izany Atoa Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny vola sy ny tetibola Atoa Hery Rajaonarimampianina, hoy izy.

 Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT