Toekarena

Jean Jacques Ratsietison “Sandam-bola nidina no nampianjera fitondrana teto”


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Sandam-bola foana, hoy ny mpahay toekarena, Jean Jacques Ratsietison, no nahatonga krizy teto raha averina ny tantara.

 

 Tany amin’ny niatombohan’ny repoblika faharoa raha avadika ho Euro ny FF tamin’izany dia 328 fmg ny Euro. 66 ariary eo. Izao 4000 ariary mahery. Niakatra 1500 fmg ny Euro no nahatonga ny repoblika faharoa nianjera tamin’ireny raharaha 10 aogositra 1991 ireny. Nidina 500% ny sandam-bola Malagasy. Nikaikaika sy narary ny vahoaka dia nianjera ny repoblika faharoa. Tonga ny Profesora Zafy. 1993 izy niakatra teo. Nampidi-doza satria nampiditra ny sandam-bola miovaova na MID ankehitriny ny taona 1994. 1500 fmg lasa 3000 fmg. Fitenin’olona tamin’izany hoe nihinana ny malotontsika isika tamin’ny andron’i Didier Ratsiraka, izao na ny maloto hoanina aza tsy misy intsony. Nianjera i Zafy Albert. Tafaverina Ratsiraka. Euro 3000 fmg lasa 6000 fmg. Tamin’andron’i Zafy indray, hoy ny rehetra, mbola tsara kokoa na tsy nisy maloto ho anina aza. Tsara foana ny teo aloha rehetra. Tafakatra i Marc Ravalomanana ny taona 2002 ary nametraka ho ara-panjakana ny MID ny taona 2004. Tafakatra ho 12 000 fmg indray ny Euro. Niakatra 15.000 fmg indray tamin’ny tetezamitan-dry Andry Rajoelina dia hoe tamin’ny andron-dRavalo indray, hoy ny rehetra no tsara. Lasa 20.000fmg tamin’ny andron’i Hery Rajaonarimampianina dia hoe tetezamita indray no tsara. 23.000 fmg indray izy izao na 4600 ariary dia hoe aleo Rajao. Na izaho aza, hoy izy, no ho tafakatra eo ka mbola eo io MID io dia hampianjera fitondrana foana ny resaka sandam-bola. Izay no mahatonga ahy hilaza hoe ny fanafoanana an’io sy ny fiverenana amin’ny tahabola tsy miovaova ihany no vahaolana eto, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT