Toekarena

Jean Jacques Ratsietison “Foano any io MID io »


  • Alarobia 25 Novambra 2020

“Oviana no nisian` ny flottement ny MID (Marché interbancaire de devises) no nahazo aina ny vola Malagasy?

 

 

Amin`izao, 7000% ny fihenan` ny sandam-bola Malagasy. Tamin` ny nisy ny Brexit tany Angletera, nampitahorana ny olona tany fa tandremo raha miala amin`ny Vondrona Eoropeanina ianareo dia hisy zava-doza hitranga. Hihena 20% ny sandam-bolanareo. Zava-doza izany satria ny antsika efa 7 000%. Fanontaniako: misy mpahay toekarena ve eto? 7000% izany efa mamono olona” hoy Jean Jacques Ratsietison, mpahay toekarena. Manamafy ny amin’ny tokony hanafoanana ny MID ny tenany ; hampiakatra ny sandam-bola Malagasy ho 200% izany mba tsy hisian` izay sandam-bola miovaova , hoy ity mpahay toekarena ity. “Io no vahaolana tokana. Raha mikarama ny olona iray dia tsy misy afa-tsy rehefa mikarama ny olona dia mahavita tena amin`ny karamany iny. Iaraha nahita nandritra ny Covid 19 fa tsy vitan` ny fanjakana no mamatsy ny Malagasy any an-trano tsirairay avy izay sady tsy asany rahateo izany. Tokony ny ataon` ny fanjakana dia ny tsy mametraka rafitry ny fampahantrana: ny rafitra voalohany dia ny MID. Eo koa ny fametrahana SMIG tena araka ny tokony ho izy.” Nambaran` ity kandidà nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ity fa ny andrasan` ny vahaoka amin` ny fitondrana dia ny fampidinana vidim-piainana. “Hampiakaro ny sandam-bola dia midina amin`ny ampahefany ny vidim-piainana fa izay no andrasan` ny vahoaka. Ankoatra izay dia resaka fisehosehoana. Ajanony aloha ny Miami ka alefaso any amin`ny kere izany vola izany. Miaro anao aho raha alefana any ny 100%n` ny vola” hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT