Toekarena

Jaomiary Olivier Aimé Voatendry ho tale jeneralin’ny JIRAMA


  • Alakamisy 27 Aprily 2017

Notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny tale jeneraly vaovaon’ny orinasam-panjakana Jirama, ka i Jaomiary Olivier Aimé no voatendry, raha toa ka 91 ny fitambaran’ireo rehetra nandefa antontan-taratasy.

 

 Raim-pianakaviana 46 taona izy ary nahavita fiofanana teo anivon’ny sekoly ambony INSCAE, ESSC Paris Frantsa, London Business School Angletera. Ny tontolon’ny fifandraisan-davitra no tena nahafantarana azy bebe kokoa satria nandritra ny 15 taona no niasany tamin’izany sehatra izany na teto Madagasikara na tany amin’ny firenen-kafa. Anisan’ny nisongadina ny nitantanany ny lafiny maha olona sy ny fitantanana ny mpiasa (RH) tao amin’ny orinasa Madacom SA ny taona 2000-2005, izay lasa Zain taty aoriana. Novidian’ny vondron’orinasa Bharti ny Zain ary lasa Airtel Madagascar, saingy voatazona hatrany ity tompon’andraikitra ity, ary nomena ny toeran’ny talen’ny Airtel DRC tany RD Congo nanomboka ny taona 2013. Izy izany no nisolo ny toeran’i Nestor Razafindroriaka, izay voadaka tamin’ny toerany nanomboka ny 19 janoary, ka nanendrena an’i Lantoniaina Rasoloelison ho adminisitratera delege, izay notendrena ho minisitra vao tsy ela akory izay. Tsiahivina fa noroahina tao amin’ny orinasa Jirama niaraka tamin’ny tale jeneraly teo aloha ny filohan’ny filankevi-pitantanana Rachidy Mohamed sy ny ekipany noho ny tsy fahombiazana, ary nosoloina olom-baovao mihitsy. Tsy niandry ela kosa ny filankevi-pitantanana eo anivon’ny Jirama, izay tarihin’i Befeno Todimanana Hyacinthe, ka omaly ihany dia niarahaba azy amin’izao fanendrena izao, ka nilaza fa i Jaomiary Olivier Aimé no nosafidiana noho ny finiavana hanarina sy hanavao ny orinasantsika mba hahafahany miatrika ny asany amin’ny maha mpiasa ho an’ny vahoaka (Services publics) azy sy ahatrarana ireo tanjona ara-barotra. Mino izahay fa ho hain’Andriamatoa Jaomiary Olivier Aimé ny mitantana ny orinasa hahatratra ireo tanjona tiana hotratrarina, ary izany dia noho ny fitokisana feno sy ny fanohanana avy amintsika rehetra. Tsy hay na fifandrifian-javatra na ahoana fa ao anatin’ny fotoana nanendrena azy mihitsy no miseho ny olan’ny delestazy, toy ny niseho teny Ambohimanarina andro vitsy lasa izay. Vao omaly ihany koa no nitroatra ny vahoakan’i Vohemar, ka nofantsihiny hatramin’ny biraon’ny Jirama noho ny delestazy efa ho lava. Vahaolana matotra sy azo tsapain-tanana no andrandrain’ny maro, ka ho hita eo indray izay hafitsok’ity tompon’andraikitra vaovao mbola vao erotrerony ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT