Toekarena

Ivontoerana « CTHT » Toamasina Hahazo 7 miliara ariary avy amin’ny Vondrona eoropeanina


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Tonga tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina miasa sy monina eto amintsika, Atoa Antonio Sanchez-Benedito, nanao ny sonia fanomezam-bola ny ivon-toerana CTCP na “Centre de Transformation et de Conservation des Produits”

 

ao Analamalotra Toamasina Surburbain mitentina fito miliara ariary tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola FED faha-09 sy faha-10. Nisolotena ny ivontoerana CTCP izay sampana eo anivon’ny CTHT kosa ny filohan’ny komitim-pitantanany Atoa Dama Jean Luc, izay notronin’ny filoham-boninahitry ny CTHT – CTCP Toamasina Atoa Narson Rafidimanana sy ny taleny Atoa Andréas Christophe ary ny mpandrindra teknikany Atoa Jahiel Michel. Ampiasaina amin’ny asa telo mandritra ny dimy taona ity vola be fito miliara ariary avy amin’ny vondrona eoropeanina ity. Ny voalohany dia ny fanampiana ireo mpamokatra sy ny tantsaha amin’ny fanatsarana ny traikefany sy ny vokatra vokariny amin’ny fampisongadinana ny vokatra tropikaly. Ny faharoa dia ny fanamafisana ny fanofanana ireo mpandraharaha sy ny mpanondrana mba haharaka tsara ny fenitra takian’ny tsena iraisam-pirenena sy ny tsena eoropeanina izay tena fandrodanana ny vokatra tropikaly Malagasy ary ny fahatelo dia ny fakan’izy ireo ny fenitra “certificat 17.025” amin’ny maha vokatra “BIO” ny vokatra hatobaka eo anivon’ny tsena anatiny sy ny tsena iraisam-pirenena, ka hisy ny fifanampiany sy ny fiaraha-miasany amin’ny PROCOM amin’ny fahazoana izany. Raha azon’izy ireo ity fenitra ity dia faha-02 manana izany aorian’ny “Institut Pasteur” ny ivontoerana “CTHT – CTCP” Toamasina. Ankoatra izay dia maro ny vokatra vokarin’ity CTCP ao Analamalotra ity, anisan’izany ny poavra mena (baie rose) izay mahavita 15 taonina isam-bolana izy ireo amin’ny fotoana fahavokarany, eo koa ny sakay sy ny vokatra tropikaly samy hafa izay hahavitan’izy ireo ny antsoina hoe “pate de fruits” izay amidy anatiny sy any ivelany.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT