Toekarena

ITM 2023 Mpitsidika 150 000 no andrasana


  • Alarobia 24 Mey 2023

Hotanterahina ny 15 ka hatramin’ny 18 Jona ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato ilay Salon international du tourisme karakarain’ny Ministeran’ny Fizahan-tany sy ny Ofisy nasionaly misahana ny Fizahan-tany (ONTM).

Mpitsidika miisa 150.000 no andrasana hitsidika izany. Miisa 70 ireo mpandraharaha efa nisoratra anarana hatreto raha 100 mahery no naka fanampim-baovao. Tafiditra ao anatin’izany resaka fampiroboroana ny sehatry ny fizahantany izay ihany dia mpizahantany miisa 1 tapitrisa no kendren'ny ONTM ho tonga eto amintsika amin'ny taona 2028, raha mpizaha tany 50 000 no efa tonga eto Madagasikara tamin'ity taona 2023 ity. Maro ny paikady efa napetraka hanatrarana izany izany toy ny fampitomboana ny kaompaniam-pitanterana an’habakabaka, ny fampitomboana ny ny toerana fandraisam-bahiny, ankoatra ny fisintonana ny mpampiasa vola eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany. Mpandraharaha matihanina maro eo amin’ny sehatry ny fizahantany miisa 100 avy any ivelany moa no ho tonga eto Madagasikara amin'ity taona ity, ao anatin'ny Salon international du tourisme, raha 70 izy ireo tamin'ny taon-dasa, hoy ny Minisitra Randriamandrato Joël omaly.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny hetsika
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT