Toekarena

ITM 2018 Hanatsara ny endrik`i Madagasikara


  • Zoma 18 Mey 2018

Mpandraharaha eo amin`ny tontolon`ny fizahantany maherin`ny 75 isa no handray anjara amin`ny “hetsika iraisam-pirenena ho an`ny fizahantany”na ITM,

izay hotanterahina ny 31 mey hatramin`ny 3 jona ho avy izao eny amin`ny Village Voara Andohatapenaka. Hiompana betsaka amin`ny harena ara-boajanahary sy ara-tontolo iainana mampiavaka an`i Madagasikara ity hetsika ity, hoy ny ofisim-pirenena misahana ny fizahantany. Hetsika anisan`ny mampitombo ny mpizahatany eto Madagasikara ny ITM na International Tourism Fair. Nampiakatra hatrany amin`ny 50% ny mpitisidika ny hetsika ho an`ny taona 2017. Nitombo koa ny mpandray anjara amin`ity taona ity. Nomarihin-dRtoa  Hely Rakotomanantsoa, filoha lefitry ny ONTM fa ho maro ireo vahiny matihanina amin`ny fizahantany hitety ny toerana fitsidika ara-pizahantany eto amin`ny Nosy toy ny Alemana, Frantsay, Sina, Hongrie… noho izany, araka izay noeritreretina ny ITM sy ny fikarakarana. Hisy ihany koa ireo mpandraharaha teratany vahiny handray anjara amin`ny hetsika ka afaka hijery fiaraha-miasa amin`izy ireo ny mpandraharaha ara-toekarena malagasy. Nohamafisin`ny mpikarakara ITM, Vola Raveloson fa tamin`ny herintaona dia ny firenena sinoa no vahiny nasaina manokana. Amin`ity indray mitoraka ity dia “agence de voyage” sinoa miisa folo no handray anjara amin`ny hetsika. Noho izany, voaporofo fa liana an`i Madagasikara izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Hampiakarina ny tahan`ny sehatry ny fizahantany eo amin`ny harinkarena faobe (PIB), mbola 7%, ny hetsika iraisam-pirenena toy izao. Mbola mitana ny laharana voalohany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana (15%) ka hatao tanjona ny hihoaran`ny fizahantany izany.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT