Banky iray miezaka hatrany ny manatsara ny sehatry ny fizahantany eto amintsika ny BNI Madagascar.
Taorian’ny nanokafany ny fiaraha-miasa tamin’ny federasionan’ny mpanao hôtely sy trano fandraisam-bahiny eto amintsika dia fantatra fa hiara-kiasa akaiky amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara ihany koa izy ireo. Antony hanohanany ny International Tourism Fair izay hatao eto Antananarivo ny 8 ka hatramin’ny 11 jona ho avy izao izany. Tanjon’ity banky iray ity raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Alexandre Mey ny hifanohana amin’ireo mpisehatra momba ny fizahantany eto amintsika, natrehin’ny Ministry ny fizahantany Rolland Ratsiraka. Marihina moa fa mbola anisan’ny hahazo tombony manokana avy amin’ity banky iray ity ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany mandritra ny hetsika ITM izay hisandrahaka manerana ny tranoheva miisa 200. Toraka izany koa ny olon-tsotra, ny mpitantana orinasa, ny mpandraharaha…Tanjon’izy ireo amin’izany moa ny mba hahafahan’ny tsirairay manatanteraka ny nofinofiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.