Toekarena

ISSOF Manampy ny orinasa mba hiarin-doha


  • Zoma 04 Martsa 2022

Tolotra iray entina hanampiana ireo mpandraharaha eto amintsika efa manana orinasa ny Next login. Karazana toro-hevitra sy tohana entina hanampiana azy ireo izy ity hanatsarana bebe kokoa ny sehatra misy azy mba hisy

 fiantraikany eo amin’ny toe-karem-pirenena indrindra taorian’ny nisian’ny valan’aretina Covid 19. Nisy ny hetsika fampahafantarana ny Next login omaly tetsy amin’ny le pavé Antaninarenina. Valan-dresaka narahina ady hevitra niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra eo anivon’ny orinasa no natao tamin’izany ka anisan’ny tanjona raha araka ny fanazavan-dRakotonirina Miarisoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny ISSOF izay mpikarakara na ny Iscam Solutions Formation ny hanatsarana sy hampiroboroboana ny sehatry ny fitantanana orinasa eto Madagasikara. Anisan’ny mbola lesoka mantsy ny tsy fahampian’ny fiofanana hoy hatrany izy , antony manosika ny ISSOF hanome tanana ka ankoatra ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireny dia hisy ihany koa ny fampitomboana ny fahalalany. Lohahevitra telo moa no niaraha-nidinika tamin’ireo tompon’andraikitry ny orinasa tonga tetsy amin’ny le Pavé omaly dia ny resaka tontolo iainana, ny fahasalamana sy ny fiarovana eo am-panatanterahana ny asa ary ny resaka sakafo manara-penitra. Tazana nandray anjara tao anatin’ny hetsika ihany koa moa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ONG.
Pati
Legende : Rtoa kely Miarisoa Rakotonirina, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny ISSOF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT