Nihaona tamin’ny praiministra Ntsay Christian teny Mahazoarivo omaly ireo iraka avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) notarihin’i Marshall Mills.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa amin’ny fanamorana ny fahazoan’i Madagasikara famatsiam-bola ity fitsidihana ity. Nifantoka bebe kokoa tamin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa ara-toekarena sy ny asa vitan’ny governemanta nandritra ny taona 2017- 2018 ny dinika, izay ahitana ny fitomboan’ny harinkarena, ny vola miditra amin’ny fanjakana, ny tahan’ny tahirim-bola vahiny ary ireo fanamby mbola miandry ny governemanta. Marihana fa fepetra hentitra napetraky ny FMI ho takalon’ny fahazoana fanohanana ara-bola ny fampiharana ny vidiny tena izy eo amin’ny solika sy ny fanafoanana ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ny Jirama. Fepetra izay, mazava ho azy fa nitarika ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ny jiro sy ny rano eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.