Hampirisika ny rehetra hisehatra amin’ny fizahantany no antom-pisian’ny hetsika fampirantiana International Tourism Fair Madagascar (ITM).
Amin’ity taona 2020 ity dia hotanterahina ny 18 hatramin’ny 21 jona eny amin’ny CCI Ivato ny andiany fahasivy amin’ny Salon ITM 2020. Mpisehatra matihanina amin’ny fizahantany miisa 330 no handray anjara ka anisan’izany ny Agence de Voyage, ny tours opérateurs, ireo mpandraharaha sy mpampiofana eto an-toerana sy avy any ivelany amin’ny sehatra fizahantany ary ireo ofisy nasionalin’ny fizahantany avy amin’ireo Nosy manodidina. Tanjona ny hampihaonana ireo mpandraharaha Malagasy sy ireo matihanina rehetra amin’ity sehatra ity. Fotoana ahazoan’ny mpanjifa rehetra mahafantatra ny fizahantany rehetra ihany koa, indrindra ny any amin’ny faritra, ary hitaizana ireo olon-tsotra hanao fizahantany. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fikambanana Mpanao Gazety matihanina misehatra amin’ny fizahantany avy any Espagne ho avy eto Madagasikara amin’io fotoana io. Hiezaka hampahafantatra ny mampiavaka ny firenena Malagasy any amin’ny taniny no anton-dian’izy ireo ary handresy lahatra ireo mpandraharaha sy ny mpamatsy vola hisehatra amin’ny fizahantany eto. Ho hita amin’io fotoana io ireo tolotra ara-pizahantany rehetra misy eto Madagasikara ka hampiseho ny mampiavaka azy ny faritra tsirairay. Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-60 taona nahazoan’ny firenena Malagasy ny fahaleovantena amin’ity andiany ity ary hararaotina ny hisintonana mpizahatany maro be. Mahatratra 30 000m² ny velarana hanaovana fampirantiana ary mitsinjara toerana lehibe 8 toy ny toerana ho an’ireo matihanina, ny fanaovana famelabelarana, ny fampahafantarana ny trano fandraisam-bahiny sy ny fisakafoanana misy. Ny taona 2019 dia nahatratra 15000 ny nitsidika ny Salon ITM ary amin’ity dia hiandrasana mpitsidika hatrany amin’ny 18 000 izay hampitombo hatrany amin’ny 20% ny mpitsidika. Misy ihany koa ny fikarohana lalam-barotra vaovao amin’ireo firenena avy any ivelany tahaka ny India sy Afrika ary Eoropa Atsinanana. Izany rehetra izany dia hanamorana ny fanatrarana ny tanjona izay hampidirana mpizahatany 500 000 amin’ny taona 2023.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.