Toekarena

International Gastronomie Pizza Am-perinasa ilay ozinina fanodinana sakafo


  • Zoma 06 Novambra 2020

Nanokatra ozinina fanodinana sakafo manara-penitra ny vondrona “International Gastronomie Pizza” na IGP, tantanan’i Chef Mbinina. Groupe purchase no anarana nampitondraina azy, foto-drafitrasa lehibe miorina etsy Ankadimbahoaka ity.

 

 

 Omaly no notokanana tamim-pomba ôfisialy io ozinina io, orinasa fahaenina natsangan’ny IGP hamatsy ny tsena anatiny mifanaraka amin’ny filan’ny mponina ankoatra ny fikasana hanondrana any ivelany ihany koa. Saika haodina ao amin’ity ozinina ity avokoa mantsy ny ranom-boankazo izay hahatratra 5.000 litatra isan’andro, ny crème glacé 2500 litatra isan’andro, ny voatabia izay mahatratra 2 taonina isan’andro, ny akoho, ny kebab…. Hiarahan’ny vondrona miara-miasa amin’ireo tantsaha mpamokatra eny ifotony ny fakana ny akora fototra ilaina amin’izany toy ireo mpiompy sy mpamboly ovy, voankazo ary legioma ao Antsirabe. Miisa 50 ny mpiasa hanodina ity ozinina ity raha efa mahatratra 1.000 kosa ho an’ny vondrona IGP iray manontolo. Tera-tany vahiny manam-pahaizana sy voky traikefa amin’ny fikarakarana sakafo an-dakozia no hitantana azy, tafiditra ao anatin’ilay tetikasan’ny IGP hametraka fitokisana amin’ny hafa ihany koa. Tonga nitokana izany ny Ministry ny varotra sy ny indostria Rakotomalala Lantosoa izay nidera manokana ny ezaka vitan’ny IGP na dia teo aza ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny valan’aretina Covid 19. Mendrika hotohanana hoy izy ny mpandraharaha Malagasy mahavita zavatra tahaka izao izay hiantsoany ny tanora Malagasy rehetra ihany koa mba hanaraka ny diany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT