Toekarena

International Fair Tourism Madagascar Nasaina manokana i Indonezia


  • Sabotsy 13 Aprily 2019

Omaly zoma 12 Aprily no nampahalalana tetsy amin’ny Ministeran’ny fizahan-tany eto Madagasikara ny hetsika fampahafantarana ny International Fair Tourism (ITM 2019). Fantatra tamin’izany fa namaly avy hatrany ny fanasana natao azy ireo ny firenena Indoneziana ary vonona tanteraka hitondra sy hizara ny traikefany.

 

Miisa 14 390 000 ny mpizahatany avy any ivelany ary 275 000 000 ny anatiny nitsidika an’i Indonezia tamin’ny taona 2018 izay nampiditra vola hatrany amin’ny 17,6 miliara dolara ary nanainga mihitsy ny toekareny izany. Izany no anton’ny safidy nataon’ny firenena Malagasy mba hakàna ny fahaizamanaon’izy ireo ka hisy ny fotoanan’ny fifanakalozana sy ny famelabelaran-kevitra amin’ity ITM 2019 ity.  Hamaha ny hetahetan’ireo mpandraharaha izay efa velon-taraina sahady ny amin’ny akony sy laza ratsin’i Madagasikara izao faneken’ny Indonezia hivahiany eto izao. Inoana fa mahafantatra tsara ny zavamisy eto amin’ny firenena Malagasy izy ireo amin’izao fotoana izao indrindra ny amin’io sehatra fizahan-tany io. Tokony hiteraka fampiroboroboan’ny sehatra fizahan-tany Malagasy izao hetsika hatao izao satria firenena efa voasokajy ho matanjaka i Indonezia amin’io sehatra mampiroborobo toekarena io.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT