Toekarena

International Fair Tourism Madagascar Hampiroborobo hatrany ny sehatra fizahantany


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Omaly zoma 25 mey no nampahafantarina tetsy amin’ny Ofisy Nasionalin’ny fizahantany eto Madagasikara ny hetsika International Fair Tourism Madagascar andiany fahafito izay hotontosaina eny amin’ny Village Voara ny alakamisy 31 mey hatramin’ny alahady 3 jona 2018 ho avy izao.

 

 Mpisehatra matihanina amin’ny fizahantany maherin’ny 80 no hifandimby handray anjara amin’ny famelabelaran-kevitra mandritra ny 2 andro voalohany.  Mazava ho azy fa hitodika betsaka amin’ny tontolon’ny fizahantany ny lohahevitra horesahina. Anisan’izany ny géopolitika, ny resaka manodidina ny fampiantranoana vahiny, ny fizahantany mitodika amin’ny fanajana ny tontolo iainana (écotourisme). Hampiavaka ity hetsika ity ihany koa ny fahatongavan’ireo vahiny 4 manampahaizana amin’ny tontolon’ny fizahantany sy ny tontolo iainana hizara ny traikefany amin’ny mpitsidika. Ny 2 sy 3 jona kosa dia hatokana tanteraka ho amin’ny fampirantiana ny tolotra ara-pizahantany rehetra misy eto Madagasikara izay ahitana tranoheva  miisa 200.  Hanana solontena ao daholo ny  faritra 22 ary haneho ny mampiavaka azy ny tsirairay. Ankoatra izay, hisy fanentanana maro samihafa ho fampahafantarana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy haingoan’ireo mpanakanto tahaka an-dry Vilon’Androy, Rakoto Frah Junior ary ireo solontenan’ny firenena Afrikanina Tatsimo nasaina manokana. Ilaina ny hetsika sahala amin’izao ho fampiroboroboana hatrany ny sehatra fizahantany izay hananantsika tombony sady tokony hampiditra vola be ho an’ny firenena. Maro ireo firenena efa lasa lavitra tamin’ny fampandrosoana tamin’io sehatra io ary tsy tokony ho latsa-danja amin’ireny i Madagasikara satria manana ireo toerana sy harena maro mampiavaka azy.

Tsiry


   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT