Toekarena

International Fair Tourism Madagascar 8 Hampirisika ny rehetra hisehatra amin’ny fizahantany


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Eny amin’ny CCI Ivato indray no hotontosaina ny hetsika International Fair Tourism Madagascar andiany fahavalo amin’ny 13 hatramin’ny 16 jona ho avy izao.

 

 

Mpisehatra matihanina amin’ny fizahantany miisa 300 no handray anjara ka anisan’izany ny Agence de Voyage, ireo mpandraharaha sy mpampiofana amin’ny sehatra fizahantany ary ireo ofisy nasionalin’ny fizahantany avy amin’ireo Nosy manodidina. Tanjona ny hampihaonana ireo matihanina amin’ity sehatra ity fa ny hampiavaka azy ihany koa dia ny hitaizana ireo olon-tsotra, indrindra ny Malagasy, hanao fizahantany. Ankoatra        izay, hisy ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo manana tetikasa manokana momba ny fizahantany izay ampihaonina amin’ireo mpandraharaha sy ny mpamatsy vola. Ampoizina hatrany amin’ny hetsika sahala amin’itony ny fampirantiana ny tolotra ara-pizahantany rehetra misy eto Madagasikara ka hampiseho ny mampiavaka azy ny faritra tsirairay. Ilaina mandrakariva ny hetsika tahak’izao ho fampiroboroboana ny sehatra fizahantany izay hananantsika tombony ary tokony hampiditra vola be ho an’ny firenena. Tsy latsa-danja amin’ireo firenena niainga ara-toekarena tamin’ny sehatra fizahantany i Madagasikara satria manana ireo toerana sy harena maro mampiavaka azy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT